Rado Andriamasimanana est l’un des rares ornithologues malgaches. Il était l’un des membres fondateurs de l’Association Asity en 1996. Pendant le projet ZICOMA dont l’objectif était d’identifier les Zones d’importance pour la conservation des Oiseaux (ZICO), il dirigeait l’équipe d’inventaire. Dans le cadre du Programme BirdLife International Madagascar (BIMP), il a également contribué à la mise en place d’ASITY Madagascar qui est la fusion du BIMP et l’association Asity et a travaillé énormément pour les collectes des fonds pour ASITY Madagascar.

Rado no anisan’ireo Mpahay vorona izay vitsy an’isa teto Madagasikara. Anisan’ny mpikambana mpanorina ny Fikambanana ASITY Tamin’ny 1996 ary mbola nitarika ny ekipa inventaire projet ZICOMA nahafahana namaritra ny ZICO. Mbola nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fanaganana ny ASITY Madagascar ihany koa nandritra ny programa Birdlife International Madagascar Programme. Anisan’ny niasa mafy tamin’ny fitadiavam-bola ho an’ny ASITY M/car.

RAMINOARISOA Voninavoko (Siège Antananarivo)

Rado Andriamasimanana pendant les 25 ans avec lui :il nous a toujours soutenus dans toutes les difficultés qu’a traversées ASITY MADAGASCAR. Il est l’une des personnes qui ont amené ASITY MADAGASCAR à ce qu’elle est aujourd’hui. Il est Simple mais aussi très exigent lorsqu’il y a des imperfections que ce soit dans le temps ou dans la qualité Il est un homme d’action. Coté familiale, un Papa incroyablement dévoué envers sa famille.

Rado Tao natin’izay 25 taona niaraha-niasa taminy izay : nanohana hatrany izy tamin’ny zava-tsarotra rehetra nolalovan’ny ASITY MADAGASCAR. Ary afaka lazaina ho anisan’ireo nahatonga ny ASITY amin’izao toerany izao ny ezaka rehetra nataony. Olona manana fahatsorana nefa koa tena sarotiny  raha misy ny tsy lavorary na ara-potoana izany na ara-kalitao. Olon’ny asa raha fintinina. Raha ny ara-pianakaviana dia nampiaky volana ny fikarakarany ny Fianakaviany.

RANDRIANASOLO Arisoa  (Asity CMK)

Il est un grand frère, un ami qui aidait tout le monde.  Il agit immédiatement au moment voulu. Il prend des responsabilités sans hésitations. Et il est souriant.

Zoky ray aman-dreny, Namana nanorotoro, nitarika, nanampy ny rehetra. Tia tsikitsiky. Tsy nihafahafa fa tonga dia nandray andraikitra.

RAKOTONDRAFENO Sitraka (Siège Antananarivo)

Il est un homme simple mais strict. Avec lui, le travail était partagé et il était toujours là quel que soit les contextes (joie, chagrin).Il est Conseiller, compagnon…son existence est inoubliable.

Olon-tsotra nefa hentitra. Nifampizarana ny asa, niarahana teny foana na amim-pifaliana na amin-karatsiana. Mpananatra , mpanoro, mpiara-mihanihany eny …. Tsy hay adinoina ny fisiany 

RATIANARIVO Ny Koloina (Siège Antananarivo)

Parent, enseignant et ami. Il n’a pas ménagé ses efforts pour la biodiversité malgache. Il a laissé des traces inoubliables dans tout ce qu’il a fait.

Ray aman-dreny, mpampianatra, namana ary tsy nitandro hery raha resaka fiarovana. Namela mamy teny amin’izay rehetra nolalovany.

RAZAFINDRAKOTO Mamonjisoa (Siège Antananarivo)

Collègue, ami, frère. Rado est un homme de dialogue et il est celui qui sait mettre tout dans son temps. Et surtout Rado est un pilier et soutien d’ASITY MADAGASCAR.

Mpiara-miasa, namana, rahalahy. Rado olon’ny fifanakalozan-kevitra ary mahay mametraka ny zavatra rehetra amin’ny fotoanany. Rado ilay andry sy tohan’ny ASITY MADAGASCAR.

RABARISOA Rivo (Siège Antananarivo)

On se souvient de Rado par son travail. Face aux problèmes, il apporte des solutions immédiates. Ceci est souvent suivi de rire. Quand nous sommes tous les deux pris le soir au bureau, avant de rentrer chez lui, il passe toujours devant moi pour dire au revoir et me faire rire. C’était tout un souvenir de lui.

Anisan’ny fahatsiarovana an’ i Rado ny resaka asa, tsy misy resabe fa tonga dia olana sy vahaolana, ny zavatra  hihomehezana no betsaka. Rehefa samy tratra hariva ao amin’ny birao  izahay roalahy, aloan’ny hodiany dia mandalo kely ao amiko izy manao veloma no sady manampy mandatsaka fampimehezana kely foana. Tena fahatsiarovana sisa.

RANDRIANJATOVO Solofoson (Asity CMK)

Il est celui qui apporte le plus de soutien dans les moments difficiles. L’heure est maintenant arrivée. Des larmes qui ne cessent de tomber comme la pluie. Au Revoir Grand frère. Bye lesy Zoky Rado. Tout cela reste toujours dans les mémoires.

Izy Ilay nanohana na amin’ny sarotra na amin’ny mora! Tonga ity ny Ora tsy maintsy hisarahana. Ny ranomaso toa ny Orana! Veloma Zoky bé ! Amin’ny zava-tsoa maro bé! Faranako ny teneko! Fankaherezana ho antsika sy ho amiko! Bye lesy Razoky bé RADO. Tsarona foana reny rehetrarehetra ireny.

RAKOTONARIVO Andrianarijaona (Asity CMK)

Un grand frère qui avait les compétences et la maturité dans le domaine du travail. Un Conseiller et formateur sur la planification et la mise en œuvre du projet. Mais il n’oublie pas de s’amuser avec l’équipe quand l’occasion se présente. 

Zoky nanana ny fahaiza-manao ary matotra teo amin’ny sehatry ny asa izy. Nanoro, nampianatra tamin’ny fandrafetana tetik’asa ary ny fanatanterahana an’izany. Tsy hadinony anefa ny miaraka mifaly sy manala azy kely miaraka amin’ny ekipa rehefa misy fotoana ahafahana manao an’izany.

RAKOTOARIMANANA Faniry (Asity TGK)

Rado : Il est à la fois simple et sympathique. Il n’y avait pas des mots pour décrire sa gentillesse sauf il est MILAY

Rado: Sady tsotra no sariaka, saingy tsisy teny mahadika izay hatsaram-panahy izay hafa tsy ny teny hoe: MILAY

RAZAFINJATOVO Feno (Siège Antananarivo)

Rado : Un ami, un conseiller, un grand frère. Beaucoup de travail a été fait ensemble. Il y avait les plus faciles, il y avait aussi les plus difficiles. Tous se sont conclus avec un sourire et un humour agréable. Tout ce que vous avez fait, que ce soit au siège ou au niveau du site n’est jamais bloqué. Notre mission à Ampitsopitsoka restera un souvenir dans mon cœur. RIP Rado Andriamasimanana

Rado :  namana,  zoky nampianatra  – Maro ireo asa niarahana natao, na mora na sarotra – dia nofaranana tao anaty tsikitsiky sy hanihany nahafinaritra. – Izay rehetra nataonao na siège na site dia tsy nisy nihitsoka, – Mijanona ho fahatsiarovana ato am-po, ilay fiarahanana tany Ampitsopitsoka.  Mandria ampiadanana Rado Andriamasimanana

TSIAVAHANANAHARY Jorlin (Asity CMK)

Rado Andriamasimanana : Il m’appelle « Le petit frère ». Que ce soit dans mes études, dans mon travail ou dans ma vie personnelle, Rado n’a jamais gardé seul le bien qu’il avait. Défendant la vérité et la justice. Il est dur et très sévère lorsqu’il m’a corrigé. Il a montré que nos expériences étaient presque toujours les mêmes. Il est parti et il a laissé des marques indélébiles sur mon avenir. Je crois que vous faites partie des personnes qui sont heureuses maintenant. RIP « Grand Frère »

Rado Andriamasimanana: Zandry kely no fiantsoany ahy..! Na teo amin’ny fianarana na asa na fiainako manokana , i Rado dia tsy mba namihina irery ny soa, niaro amin’ny fahamarinana sy ny rariny ary masiaka tsy misorona rehefa manitsy ahy. Nasehony tamin’izany fa saiky nitovy hatrany ny zavatra iainanay. Lasa izy, namela dian-tanana tsy voafafa @ hoaviko sisa izy. Mino aho fa isan’ireo sambatra mandrakizay ianao  Zoky be. Mandria am-piadanana .

RANAIVOSON Nicolas (Asity CMI)

Je me souviens toujours les blagues qu’ii me fait quand je travaille au siège à Antananarivo.

Ahatsiarovako an’i Rado ny hanihany fanaony ahy rehefa miasa any amin’ny birao Foibe any Antanaanrivo aho « Ahoana Papa!

RALAIVAO Daniel (Asity CMI)

Un ami qui n’est pas facilement en colère. Il ne cesse de nous conseiller. Toujours sympathique et drôle. C’est difficile de l’oublier.

Ilay namana tsy mba konjo tsy mora tezitra. Tsy sasatra koa ny manoro hevitra. Sariaka lalandava, tia sangy Sarotra hadino ny toy izany.

Fidèle R. (Siège Antananarivo)

C’était une personne formidable pour moi. Quand nous partons en mission ensemble, il était franc. Cependant, il est très strict dans son travail, surtout en ce qui concerne la qualité de l’équipement utilisé ou l’achat de pièces pour la voiture afin de ne pas causer de problèmes de voyage et de travail. RIP Rado et je n’oublierais jamais ce que nous avons vécu pendant ces 17 ans.

Izy ho ahy dia olona nahafinaritra teo amin’ny fiarahana rehefa miaraka mandeha mission ary tsy misorona raha misy tiana hambara. Na izany aza dia tena hentitra izy amin’ny asa, indrindra raha resaka kalitao eo amin’ny zavatra ampiasaina na achat pièces ny fiara mba ahatomombana ny dia sy ny asa. Mandria am-piadanana Rado ary tsy ho adino ny fiarahana taminao nandritra izay 17 taona nifaneraserana izay.

RAKOTOARIMANANA Jas Nirina (Siège Antananarivo)

Une personne mature et stricte dans ses devoirs et ses responsabilités. Sympathique et souriant. C’est un homme de dialogue. Il a laissé des traces inoubliables. Priez pour sa famille.

Olona matotra sy hentitra amin’ny andraikitra sy ny asa. Kanefa tsotra sy mahay mifandray amin’ny sokajin’olona rehetra. Sariaka. Namela mamy. Mitrotro am-bavaka ny ankohonany

ANDRIAMPARANY Rakoto Roberto (Asity TGK)

Rado, dans son humour, il dira la vérité.

Rado, mananiany izay rehefa miresaka nefa marina daholo izay lazainy…

MAHATAMANA Dadah

Nous ne sommes pas rencontrés même pas une seconde. Je crois que le bien que vous nous avez donné ne sera pas perdu mais il y a ceux qui le combleront. RIP

Tsy nifankahita na Dia iray sengondra aza, Mino anefa fa n’y soa nomenao Dia tsy ho very fa ao ireo hanome izany. Mandria ampiadanana 

 
rfwbs-sliderfwbs-sliderfwbs-sliderfwbs-slide